Taratasy Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana
Toko faha-5
14 Fa terin'ny fitiavan'ny Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an'ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra; 15 ary maty ho an'ny olona rehetra izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'izay maty sy nitsangana ho azy ireo. 16 Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofo intsony izahay; ary na dia nahalala ny Kristy araka ny nofo aza izahay; dia tsy araka izany intsony no ahalalanay azy ankehitriny.17 Noho izany, na iza na iza ao amin'ny Kristy, dia zava-boary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra. 18 Ary tsy iza no nihavian'izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra, izay nampihavana antsika aminy indray tamin'ny alalan'i Jesoa-Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana; 19 satria Andriamanitra no nampihavana an'izao tontolo izao aminy indray, tamin'ny alalan'i Jesoa-Kristy, ka tsy nitana ny fahotan'ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay. 20 Koa sady solon'ny Kristy àry izahay no irak'Andriamanitra koa, ka tahaka an'Andriamanitra no mananatra, sy toy ny tenan'ny Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin'Andriamanitra hianareo! 21 Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy isika!